Zanahary Tompo marina

1 Zanahary Tompo marina,
 Izahay misaotra anao
 Amin'ny anatra soa
 Nananaranao anay.

Zanahary Tomponay e,
Mba tsilovy ny sainay,
Ary ny fonay herezo
Hankatò ny didinao.

2 Ny fonay herezo mafy,
 Mba hikasa sy hanao
 'Zay fitondran-tena tsara
 Andidianao anay.

3 Ry Maria e, Reninay e,
 Mba ambeno ny ainay;
 Ahitsio ny sainay e,
 Ary diovy ny fonay.

Nampiditra Belle
Sokajy Fifonana
Fihirana Hasina p. 149
Vavaka sy Hira p. 499
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0923