Tompo ô, mamindrà fo aminay e, fa nirahin'ny Ray Ianao

Nampiditra: Belle
Sokajy: Fifonana,


  • Fihirana Hasina p. "148
  • Vavaka sy Hira p. "714
  • Fihirana Vaovao p. "354
  • Fihirana Dera p. "258

1 Tompo ô, mamindrà fo aminay e, (indroa)
 Fa nirahin'ny Ray ianao e, mamindrà fo aminay e,
 Hanasitrana fo mivalo e, mamindrà fo aminay e,
 Mamindrà fo aminay e, mamindrà fo aminay e.

2 Kristy ô, mamindrà fo aminay e, (indroa)
 Fa nanaiky ho faty ianao e, mamindrà fo aminay e,
 Mba hanala ny otanay e, mamindrà fo aminay e,
 Mamindrà fo aminay e, mamindrà fo aminay e.

3 Tompo ô, mamindrà fo aminay e, (indroa)
 Eo an-kavanan'ny Ray ianao e, mamindrà fo aminay e,
 Mba handray ny fifonanay e, mamindrà fo aminay e,
 Mamindrà fo aminay e, mamindrà fo aminay e.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0182 s.] - Hanohana anay