Izahay 'zay nantsoin'ny Ray ho mpandova tahaka anao... Tompo ô, mamindrà fo aminay

1 Izahay 'zay nantsoin'ny Ray
 Ho mpandova tahaka anao
 Tsy nitandro ny Fahamendrehanao!
Tompo ô, mamindrà fo aminay. (intelo)

2 Izahay izay navotanao,
 Tamy ranao sy ny ainao
 Tsy namaly ny Fitiavanao!
Kristy ô, mamindrà fo aminay. (intelo)

3 Izahay 'zay nantsoinao
 Ho mpitondra ny hafatrao
 Tsy nihaino ny Fanahinao!
Tompo ô, mamindrà fo aminay. (intelo)

Nampiditra Belle
Sokajy Fifonana
Fihirana Hasina p. 148
Vavaka sy Hira p. 812
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1346