Tsinjovinao, ry Virjiny mpiantra

Nampiditra: Belle
Sokajy: Masina Maria, Fiainana mandrakizay, Fahafatesana,


  • Fihirana Vaovao p. "430
  • Fihirana Hasina p. "140
  • Vavaka sy Hira p. "529
  • Fihirana Dera p. "163

1 Tsinjovinao, ry Virjiny mpiantra,
 Ny havanay lasan'Andriamanitra,
 'Zay mbola ao amin'ny afo fandiovana
 Manala sazy valim-pahotana.

Masina Maria ô, vonjeo re
Ny fanahy mijaly te hihaona aminao. (indroa)

2 Drey, mafy loatra ireny afo any
 Mitam-panahy tsy tambo isaina,
 Fa ianao mahamaivana azy
 Amin'ny hasin'ny fifonanao.

3 Ny fomba foana sy ny fanao tsy mendrika
 Tsy mahasoa izay mijaly any,
 Ka aleonay miantso anao Reny
 Hanafaka azy ho any an-danitra any.

Aiza, ry Reny, 'lay fonao miantra
 Mahay mitsetra 'zay tratry ny manjo?
 Ny havanay midio amin'ny afo
 Tsy hovonjen'ny famindram-ponao?


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0074 s.] - Hanohana anay