Ry Tanindrazanay malala ô!
1 Ry Tanindrazanay malala ô!
Ry Madagasikara soa,
Ny fitiavanay anao tsy miala,
Fa ho anao, ho anao doria tokoa.
Tahionao, ry Zanahary,
'Ty Nosin-drazanay ity
Hiadana sy ho finaritra:
Eh! Sambatra tokoa izahay.
2 Ry Tanindrazanay malala ô!
Irinay mba hanompoana anao
Ny tena sy fo fanahy anananay
'Zay sarobidy sy mendrika tokoa.
3 Ry Tanindrazanay malala ô!
Irinay mba hitahiana anao,
Ka ilay Nahary izao tontolo izao
No fototra ijoroan'ny satanao.
Nampiditra Belle
Fihirana Dera p.
152
Fihirana Hasina p.
135
Fihirana Vaovao p.
427
Vavaka sy Hira p.
655