Tiako ny hiaraka aminao, Jesoa

Nampiditra: Belle
Sokajy: Antson'Andriamanitra,


  • Fihirana Vaovao p. "433
  • Vavaka sy Hira p. "652
  • Fihirana Hasina p. "119
  • Fihirana Dera p. "200
  • Ankalazao ny Tompo p. "376

Tiako ny hiaraka aminao, Jesoa,
Na aiza na aiza hitondranao ahy;
Tiako ny hiaraka aminao, Jesoa,
Fa ianao no miantso ahy!

1 Hiaraka aminao aho, ô ry Jesoa Tompoko,
 Tsy manana olon-kafa aho fa ianao no fiainako:
 Hanara-dia anao, 'zay no faniriako,
 Hifikitra aminao aho, Jesoa!

2 Hiaraka aminao aho, ô ry Jesoa Tompoko,
 Hitory teny soa amin'ireo havako:
 Hanara-dia anao, 'zay no faniriako,
 Hanohy ny asanao aho, Jesoa!

3 Hiaraka aminao aho, ô ry Jesoa Tompoko,
 Ho zary famonjena anie ny fahoriako:
 Hanara-dia anao, 'zay no faniriako,
 Hifantsika aminao aho, Jesoa!

4 Hiaraka aminao aho, ô ry Jesoa Tompoko,
 Hibanjina ny Ray Tompo Andriamanitro:
 Hanara-dia anao, 'zay no faniriako,
 'Zay misy anao no hisy ahy, Jesoa!


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0074 s.] - Hanohana anay