Ô ry Jesoa Kristy Tompo ô, harahiko ianao n'aiza n'aiza

Nampiditra: Belle
Sokajy: Antson'Andriamanitra,


  • Ankalazao ny Tompo p. "490
  • Vavaka sy Hira p. "525
  • Fihirana Hasina p. "118
  • Fihirana Dera p. "225
  • Fihirana Vaovao p. "186

Ô ry Jesoa Kristy Tompo ô,   )
Harahiko ianao n'aiza n'aiza. ) (indroa)

1 Tianao ve ny ho mpianatro?
 Tsy ny vola aman-karena e
 No mba tanjona tratrariko.

2 Tianao ve ny ho mpianatro?
 Raiso ny hazo fijaliana e,
 Dia izory izay nodiaviko.

3 Tianao ve ny ho mpianatro?
 Tiavo toy ny iray tam-po e
 Ny  olombelona notiaviko.

4 Tianao ve ny ho mpianatro?
 Tsy hotompoina fa hanompo e:
 Izay no tarigetram-piainako.

5 Tianao ve ny ho mpianatro?
 Amin'ny olo-maminao e,
 Izaho no ataovy faratampony.

6 Tianao ve ny ho mpianatro?
 Hoentiko any an-tranon-dRaiko e
 'Reo nizaka ny fiainako.

7 Tianao ve ny ho mpianatro?  )
 Tena hanim-pitoloha e           ) (indroa)
 No haroson'ilay Dadako.         )


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0075 s.] - Hanohana anay