Andeha ianao, mankanesa any an-tanim-boaloboko
Andeha ianao, (eny andeha)
Mankanesa any an-tanim-boaloboko. Ilazao re,
Ilazao taon-jina ny mpianatro;
Dia omankomany ny vokatra                 )
F'efa antomotra izao ny taona fijinjana ) (indroa)
1 Ataoko eo am-bavanao ny teniko:
 Dia ny Fanahiko fahendrena,
 Ataoko eo am-bavanao ny teniko
 Hamelomanao ny vahoaka voafidiko.
2 Ataoko eo imasonao ny endriko:
 Dia ny Fiangonako fanorenana,
 Ataoko eo imasonao ny endriko:
 Hanangonanao ny vahoaka navotako.
3 Ataoko ao anatinao ny heriko:
 Dia ny Fitiavako fanomezana,
 Ataoko ao anatinao ny heriko:
 Hanentananao ny vahoaka notiaviko.
                    Nampiditra Belle                
                                        
                    Sokajy                                                                    Antson'Andriamanitra                                    
            
                            
                            Ankalazao ny Tompo p.
                            534                        
                                            
                            Fihirana Dera p.
                            294                        
                                            
                            Fihirana Hasina p.
                            110                        
                                            
                            Fihirana Vaovao p.
                            431                        
                                            
                            Vavaka sy Hira p.
                            528                        
                                    
