1 Jesoa, Maria sy Zôzefa mpitaiza,
Ianareo no fianaranay
'Zay hatsarana sy fitondrana tena
Namirapiratra an-trano Nazareta.
Jesoa sy Maria fanilonay,
Zôzefa mpitaiza, mpiaro anay,
Vonjeonareo izahay. (indroa)
2 Jesoa, Maria sy Zôzefa mpitaiza,
Nomen'ny Tompo ho fakànay tahaka,
Omeo anay ny fahaiza-mitondra
'Zay zanakay sy ankohonanay.
3 Jesoa, Maria sy Zôzefa mpitaiza,
Faly izahay manana an'i Maria
Ho Reny tsara mampianatra anay
Na ny hatao na izay holeferina.
4 Jesoa, Maria sy Zôzefa mpitaiza,
Mba maminay izay nataon'i Jesoa,
Fa nankatò ny tenin-dray sy reny,
Hanajanay ny lehibe rehetra.
5 Jesoa, Maria sy Zôzefa mpitaiza,
'Zay tokinay sy fiankinanay,
Vonjeonareo 'zahay mianakavy
Amin'ny andro hahafatesanay.