'Zaho ('zahay) miarahaba

Nampiditra: Belle
Sokajy: Masina Maria,


  • Fihirana Hasina p. "87
  • Vavaka sy Hira p. "610
  • Fihirana Vaovao p. "308
  • Fihirana Dera p. "126

1 'Zaho/'Zahay miarahaba
 Sy mankalaza anao,
 Tompovavin'ny lanitra
 Sy ny tany rehetra.

O, ry Maria Reninay, ivavaho 'zahay
Anio, isan'andro ary mandrakizay.

2 Be ny hasinao, Reny,
 Avo ny lazanao;
 Ianao hasoavina
 Noho ny namanao.

3 Mba mpanota daholo
 Izahay, ry Maria.
 Raha tsy ianao re
 Very izahay rehetra.

4 Rahefa ho faty izahay
 Raiso fa zanakao:
 Hoentinao any an-danitra
 Tany andrasanay.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0065 s.] - Hanohana anay