1 Ny tranonao masina no falehanay,
Ekeo, ry Reny, ny fifonanay.
Ave, ave, ave, Maria.
Ave, ave, ave, Maria.
2 Ny zanakao very mitady anao,
Hampihavana azy amin'i Jesoa.
3 Ny vavaka ataonao itokianay,
Ifony, ry Reny, Jesoa Zanakao.
4 Be ny alahelo manindry anay,
'Zahay tsy ho reraka raha tahinao.
5 'Zahay kotranin'ny ota manjò,
Arovy, ry Reny, 'zahay zanakao.