1 Ny anjely Gabriely
Niarahaba an'i Maria:
Ary ianao, Masina Maria ô,
Nanan-janaka tamin'ny Fanahy Masina.
Miarahaba anao 'zahay,
Ry Masina Maria:
Ny Tompo ao aminao,
Ny taranaka rehetra mankalaza anao.
2 Mitenena re, ry Tompo,
Hoy ny ankizivavinao;
Aoka ho tanteraka amiko
'Zay sitrakao araka ny teninao.
3 Ka ny Teny tonga nofo,
Jesoa Zanaky ny Ray,
Tonga teto ambonin'ny tany
Niara-nonina tamintsika olombelona.