1 Asio voninkazo ny lapan'i Maria;
Ka mba atolory azy ny hajan'ny fontsika.
Maria, indro ny fonay sy ny fideranay e,
Aterin'ny anjely eo anatrehanao.
2 Virjiny nofinidy ho Renin'i Jesoa,
'Zahay te hankasitraka ny Fon'ny Zanakao.
3 'Zahay be fahotana, matoky ny fonao,
Fa ianao manarina ny malahelo fo.