Ny kalisy isaorantsika

Nampiditra: DayAnd
Sokajy: Salamo,


  • Fihirana Hasina p. "334
  • Vavaka sy Hira p. "345
  • Ankalazao ny Tompo p. "166

Ny kalisy isaorantsika e an’Andriamanitra
D’ilay isotroantsika e ny Ran’i Kristy.
Ny kalisy isaorantsika an’Andriamanitra
No iraisantsika e aina aminy. (1Kor 10,16)

(Sal. 115)

 1. Natoky aho na nisy nanenjika aza,
Nilaza aza hoe : « Fara fahoriana »
Fa taitra aho manko ka vaky hoe :
« Mpandainga avokoa ny olombelona. »

Koa inona no havaliko ny Tompo
Fa maro dia maro ny soa nataony ?
Halaiko ny kalisim-pamonjena
Hantsoiko ny Anaran’ny tompontsika. 

2. Hefaiko ny voady ‘zay nolazaiko
Hefaiko anatrehan’ny firenena
Tsy zakan’ny Tompo tokoa anie
Ny hoe hahafaty ‘zay mino Azy.

Ry Tompo ô, satria aho mpanomponao,
Satria aho mpanompo matoky Anao,
Fa zanaka mpanompovavinao,
Dia indro ny gadrako esorinao.

3. Hanatitra sorom-pisaorana aho
Hiantsoako amin’ny foko ny Anaranao,
Efaiko ny voadiko taminao,
Efaiko anatrehan’ny firenena. 

Efaiko ao an-kianjan’ny tranonao
Ao Jerosalema tanànanao.
Andeha re hisaotra ny Ray isika,
Ny zanany nentiny ho tia antsika.

Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0075 s.] - Hanohana anay