Omeo finoana izahay

Nampiditra: DayAnd
Sokajy: Samihafa,


  • Fihirana Vaovao p. "451
  • Vavaka sy Hira p. "532
  • Fihirana Hasina p. "667
  • Ankalazao ny Tompo p. "122
  • Fihirana Dera p. "203

1- Omeo finoana izahay e,
    Hankahery anay malemy
    Fa tsy misy tsy azo atao e,
    Amin’izay rehetra mino.

    Noho ny Teninao, ry Tompo,
    Efanay zay sitrakao

2- Abrahama Rain’ny mpino,
    Tsy nisalasala akory
    Ny hamoy ilay naterany,
    Nony nangatahinao!

    Foinay ho Anao
    'Zay mba maminay indrindra.

3- Nino toy ireo miaramila,
    Tany Jerikao fahiny
    Nampikoa ny tamboho e,
    Tamim-peon’anjomara

    Noho ny anaranao, ry Tompo,
    Resinay ny mafy indrindra

4- Mino toy 'lay tomponjato: 
    Teninao iray dia ampy
    Hanasitrana tokoa,
    Ny aretina mahazo

    Mino izahay, ry Tompo.
    Teninao no tokinay

5- Mino mafy sady faly,
    Toy ny Reninao fahiny
    Sy i Joany mpialoha,
    Nahare fa tonga Ianao!

    Dia hiravo ny fonay
    Manantena famonjena


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0074 s.] - Hanohana anay