Halalino ny finoana, hamafiso ny fanantenana

Halalino ny finoana, hamafiso ny fanantenana
Fa katsaho indrindra ary irio mafy
Ny soa ambony avy amin’Izy Ray
Dia ilay loharano soa
Mikoriana avy amin’ny fon’i Jesoa
Fitiavana ranovelona, hosotroin’izay mangetaheta
Hanetsaka mandrakizay
Ety hatrany am-parany any

1. Na omena fahaizana hiteny aza aho
Ka hikoizan’ny anjely hohenoin’ny olombelona
Nefa raha tsy manam-pitiavana aho
Dia ho feo mikarantsana misavoana ihany
Toa varahina pehina kipantsona maneno

2. Na omena haminany zava-miafina aza aho
Na ho heniky ny fahalalana rehetra
Na dia afa-mibaiko tendrombohitra aza aho
Ka handidy azy hivarina any an-dranomasina any
Tsinontsinona aho raha tsy manam-pitiavana

3. Na omeko ny ory aza ny fananako rehetra
Ka ho foiko ho dorana avokoa hatramin’ny tenako
Tsisy mahasoa ahy ny fanaovana izany
Rendrarendra very maina ireny rehetra ireny
Raha toa ka tsy manam-pitiavana aho

4. Ny fitiavana dia mahari-po
Malemy fanahy tsy mba mialona
Ny fitiavana tsy mba manaonao foana
Mandala ny fanahy maha-olona

5. Tsy mifaly amin’ny tsy marina
Ataon’ny olona ny fitiavana
Sambatra izy mahita ny hafa koa
Mikatsaka ny rariny sy ny hitsiny

Ny fitiavana tsy mora tezitra
Tsy manao an-dolompo fa mampihavana sy mamindra fo
Mino sy matoky ny zavatra rehetra

Manala tsiny ireny sy mandefitra, manantena izy

Nampiditra DayAnd
Sokajy Samihafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1105