Feno hafaliana ny foko raha nilazana hoe
(Sal. 121)
Feno hafaliana ny foko raha nilazana hoe
‘Ndeha isika ho any ao an-tranon’Iaveh
‘Ndreto izahay ry Tompo ô
1- Tapitra ny dianay, indro fa tonga soa
Eto am-baravaranao Jerosalema (2)
2- ‘Ndreto re ny foko maro, ny vahoakan’Israely
Mankalaza ny Nahary, Jerosalema (2)
3- Ao ny trano fitsarana, ny vahoakan’i Davida
Fiadanana ho anao, Jerosalema (2)
4- Noho ireto rahalahy, havanay sy tapakay
Dia ho lava ny andronao, Jerosalema (2)
5- Ao no miakatra izahay, hankalaza an’Andriamanitra
Samy zanaky ny Eglizy, Jerosalema (2)
6- Voninahitra sy dera, ho an’ny Tompo ambony indrindra
Mitsodrano ny Eglizy, Jerosalema (2)
Nampiditra DayAnd
Fihirana Dera p.
52
Fihirana Hasina p.
256
Fihirana Vaovao p.
286
Vavaka sy Hira p.
357