1 Ô ry Reny mahavatra, ny kibonao no nitondra
Ilay Nofo nidina avy any an-danitra;
Izay rehetra mihinana azy tsy ho faty rahoviana.
2 Ô ry Reny mahavatra, tena sambatra ianao,
Nampinono avy tamin'ny nononao
Ilay mibaiko ny onjan-dranomasim-be tsy hita fetra.
3 Ô ry Reny mahavatra, tena tretrika ianao
Ny nononao no nampiboika Loharano
Izay igohan'ny rehetra ilay fiainana maharitra.
4 Ô ry Reny mahavatra, nosoavina ianao
Fa nandatsaka ilay orana mpamelona:
Mba hanafaka hetaheta ireo firenen-drehetra.