Endrey 'ty tranon'omby

Nampiditra: Belle
Sokajy: Noely, Jesoa Kristy,


  • Vavaka sy Hira p. "669
  • Fihirana Hasina p. "44
  • Fihirana Vaovao p. "384

1 Endrey, 'ty tranon'omby mangina be tokoa;
 Alina sarobidy, fa teraka i Jesoa
 Zanahary Mpamonjy:
 Variana mitsaoka azy 'lay Reny virjiny.

 

2 Midodododo faly ireo mpiandry ondry,
 Finaritra mamangy, mitsetra sy misaotra
 An'i Jesoa 'lay Mesia,
 Mitsiky mandray azy, Mpamonjy tsara fo.

 

3 Ny fonay manontolo faly mandray anao,
 Mino sy manantena, tia anao, ry Jesoa.
 Raiso re, ry Tomponay,
 Ny Nosinay tontolo, anao mandrakizay.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0078 s.] - Hanohana anay