Sambatra e, ny navotanao
Sambatra e, sambatra ny navotanao:
Hafaliana, haravoana no anjarany.
1 Fa ianao, ry Tompo, no Mpamonjy anay;
Fa ianao irery anie no Mpanavotra anay.
2 Sambatra tokoa izahay fa manana anao:
N'inona n'inona hihatra, matoky anao 'zahay.
3 Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka
Sy ny Fanahy Masina mandrakizay, Amen.