Ô, ry Jesoa ô, tsaroanao ve?
1 'Reo marary sy mijaly re ka nositraninao, tsaroanao ve?
'Reo vahoaka nentinao mba hahafantatra ny Ray, tsaroanao ve?
2 'Reo mpanota te hivalo re ka novonjenao, tsaroanao ve?
'Reny asam-pitoriana mbamin'ny tonom-bavakao, tsaroanao ve?
3 Ny hafalian'ireo mpianatra nihaona taminao, tsaroanao ve?
Fa nomenao ny Fanahy 'reo hanohy ny asanao, tsaroanao ve?