Ny Fonao, ry Jesoa ô
1 Ny Fonao, ry Jesoa ô,
No anjara lovako
Sy fonenako tokoa.
Misofaka re, ry Fo masina,
Mba hidirako sy honenako,
Fa ianao no rovako.
2 Mba henoy, ry Jesoa ô,
'Zao antson'ny foko izao:
Honina ao an-tranonao.
3 Mba ekeo, ry Jesoa ô,
'Zao faniriako izao:
Ny hitoetra an-danitrao.
Nampiditra Belle
Sokajy Fo Masin'i Jesoa - Jesoa Kristy
Fihirana Dera p.
122
Fihirana Hasina p.
37
Fihirana Vaovao p.
406
Vavaka sy Hira p.
569