Mbola ho avy ny Tompo e,
Mbola ho avy hitsara.
Mbola ho avy izy e,
Mbola ho avy!
1 Resinao ny fahafatesana, ry Tompo,
Fa natsangan'Andriamanitra ianao;
Fahefana tsisy fetra no azonao,
Manan-jara lahy 'zahay fa mino anao!
Tsy ho levona, tsy ho levona fa mbola ho avy ianao. (indroa)
2 Niakatra any an-danitra any ianao, ry Tompo,
Mba hanomana ny toerana ho anay;
Mbola ho avy anefa ianao ka haka anay,
Saingy ny hafatrafatrao mandidy anay
Tsy hibanjina, tsy hibanjina ny lanitra eo izahay! (indroa)
3 Rahefa tonga ny andro fidinao, ry Tompo,
Hahatahotra ny fahamarinanao!
Aza atosika izahay fa fantatrao
Fa mitana an-kitsim-po ny Teninao.
Koa tsimbino, koa tsimbino ny jironay hahandry anao! (indroa)