Mba ho fantatr'izao tontolo izao e
fa tiako ny Ray e.
1 E, Nekeko ny anjarako 'zay nosoritany, fitiavako ny Ray e!
2 E, Tanteraka ny asa napetrany tamiko.
3 Ny Tenin'ny Ray no hany ivelomako.
4 Navela ny helok'ireo fahavaloko.
5 Ny aiko natolotro: fara fitiavana.
6 Natsangako 'lay fanekem-pihavanana.
7 Ho resy tokoa ny herin'ny maizina.
8 Nietry aho ka indro natsangan-ko velona.