Iza moa ianao, ry Jesoa Nazareana? (indroa)
1 Tonga niara-nonina tamy zanak'olombelona, (i Jesoa...)
Tsy mba notompoina fa nilatsaka ho mpanompo.
Ry Jesoa
2 Tsy mba nanameloka na velom-pitsaràna, (i Jesoa...)
Fatra-panamaivana ny fijalian'ny ory.
Ry Jesoa
3 Lalam-pitiavana no lala-nodiaviny, (i Jesoa...)
Herin'ny fitiavany dia foiny hatramin'ny ainy.
Ry Jesoa
4 Nasandratr'Andriamanitra, nasandrany ho Tompo (i Jesoa...)
Eny, fa ianao tokoa no Zanak'Andriamanitra.
Ry Jesoa