Efa niharihary tamintsika
Ny indrafon'Andriamanitra.
1. Efa niharihary tamintsika ny indrafon'Andriamanitra,
Efa nidanadana ho antsika ny fitiavan'izy Tompo,
Tena maimaim-poana no amonjeny ny taranak'olombelona
Ny asa nataontsika am-pahamarinana: tsy sandany velively.
2. Lahatry ny indrafony no nidinan'ny Tompo hamonjy ny olona
Tamin'ny niterahany azy ireo amy rano sy ny Fanahiny,
Olona vaovao tokoa isika noho ny herin'ny Fanahiny:
Io Fanahiny io no nilatsaka sy nanavao antsika.
3. Jesoa Kritsy, 'lay Mpamonjy no tena vy nahitana:
Izy no fahasoavan'Andriamanitra, tokin'ny olombelona.
Efa nohamarinin'ny fitiavany isika ka manantena,
Afaka manantena fa handova ny fiainana tsisy fetra.