Agny ianao Zagnahary

Nampiditra: Belle
Sokajy: Andriamanitra Ray,


  • Fihirana Dera p. "284
  • Fihirana Hasina p. "26
  • Vavaka sy Hira p. "480
  • Fihirana Vaovao p. "359

1 Agny ianao Zagnahary,
 Agny ianao, Tompo ô, (agny ianao)
 Ndre tsy hitanay maso,
 Eto ianao tia anay. (ndre tsy hita)
 Mino anao 'zahay a rô,
 Zagnahary i Abanay (mino anao 'zahay).
 
Tompo ô, Tompo ô,       (indroa)
Tsofy rano 'zahay a rô,
mba ho ela velona.        (indroa)
 
2 Regninay ny Zanakao tonga teto aminay,
 I Kristy natao fafy soloheloka ho anay:
 Aigna raika amin'azy izahay itôgna a rô.
 
3 Ny Fagnahy Zagnahary omenao ka raisinay,
 Hankahery sy hamelona, hampihavana anay:
 Omenao Fagnahy a rô, ka ho tsara fagnahy.
 
4 Itôgna aby izahay sambatra ato an-dragnonao,
 Tafavory mianakavy anisan'ny ankohonanao:
 Ny Fiangonana a rô tranoben'ny lanitra.
 
5 Ho ela velona ianareo, hoy ny Zagnahary Ray,
 Tsy indroa, tsy intelo fa ho mandrakizay:
 I Kristy Mpamonjy a rô de nitsangan-ko velona.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0069 s.] - Hanohana anay