1 Ry tany, mihainoa
Ny teny anatro:
Andriananahary
Miseho amintsika.
Angony ny fontsika
Hidera ny nataony
Ho an'ny razantsika
Sy ny firenentsika.
2 Tompon'ny ranomasina
Sy ny rivo-drehetra,
Aza tezitra anay e,
Fa zanakao izahay.
'Zahay midera anao:
Ny hiranay asaovy
Aterin'anjely
Any anatrehanao.
3 Ny asanao, ry Tompo,
Ankasitrahanay
Noho ny hasoavana
Alatsany aminay.
Hitan'ny masonay
Ny soa nataonao e,
Mampiaiky sy mampino
Ny teny anatrao.
4 Zanahary mpitondra
Izao rehetra izao,
Tsy misy tsy fehezin'
Ny fandidianao.
Izao tontolo izao
Nataon'ny tananao e,
'Zahay feno toky
Sy manantena anao.