Indro atolotro anao

1-      Indro atolotro anao
Raiso , Maria ô reniko,
Eny fa dia matoky aho )
Fa ho vimbininao         ) (2)
Mandra-pahafatiko.    )

Ny fiainako rehetra no omeko
Hanompo anao, hanjakanao
Raha mbola misy koa fofon’aina
Dia hitoetra ho olonao

2-      Indro atolotro anao
Raiso, Maria ô reniko,
Eny fa dia matoky aho )
Fa hotantananao         ) (2)
Hatrany am-parany.   )

Nampiditra admin
Sokajy Masina Maria
Fihirana Hasina p. 522
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0761