Maria Reny mpampihavana ô

Nampiditra: admin
Sokajy: Masina Maria,


  • Fihirana Hasina p. "775
  • Fihirana Vaovao p. "291

Maria Reny mpampihavana ô;
Tsofy rano ireto zanakao;
Ampihavano amin’Izy Ray e
Ampihavano amin’ny olombelona;
Midera anao zahay (2)

1 - Ny lanitra mavana, irony havoana
Toa antsonao e Maria ô
Tongava hihavana, homeko haravoana
Izay te-ho sambatra e avia (2)

2 - Ny Ray, ny Zanaka, Fanahy Masina
Andriamanitra iray e;
Alao tahaka ho anin-kasina,
Ho velona mandrakizay e (2)

3 - Miandrandra ny lanitra ny zanakao e,
Miverina amin’ny Ray;
Kristy Andriamanitra ilazalazao
Fa tena zandriny izahay (2)

4 - Fifankatiavana no baikonay,
Jereo, ry Reny malala ô;
Mifandray tanana toa olona iray,
Mpirahalahy mianala (2)

5 - Tsy fantatrao ve ny Reninao ô
Mamelombelona hatrany e;
Fitiavan-dehibe an-tokantrano
No paradisa eto an-tany (2)


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0079 s.] - Hanohana anay