1- Tolory tànana aho Maria ô
Hizotra hiaraka aminao
Fa matahotra aho re
Tsy sahy ny handeha irery
Mihorohoro ny fanahy
O Maria ô!
O!ô!ô! Tantano anie aho e
O Maria ô tantano anie aho!
2- Ampio hery aho, Maria ô
Manonja ny adidiko
Ka matahotra aho re
Tsy hahatontosa ireny
Mitebiteby ny fanahy
3- Mba tsofy rano re, Maria ô
Ireo tanora marobe
Mba hitombo fahendrena
Hanara-dia an’i Jesoa
Hanohy ny lalam-pamonjena