Ianao no ianteherako

Ianao no ianteherako

Ianao no vatolampiko

Jesoa Zoky fahamarinako ô

Raha sendra adim-piainana

Raha tojo fahoriana

Eo Ianao mba hifikirako

 

1-      Fa ny fiainako, ny vavako sy ny asako

Dia tsinontsinona, raha tsy eo Ianao manentana ahy

Hiezaka aho ho tonga zandrinao tokoa

Misaotra indrindra, misaotra Jesoa ô!

 

2-      Fa ny hasambarako, ny tsiky sy ireo hirako

Toa hafaliana mamelana ato am-poko

Hiezaka aho ho tonga mpianatrao tokoa

Misaotra indrindra, misaotra Jesoa ô!

Nampiditra admin
Sokajy Jesoa Kristy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0574