Te-hahita an’i Jesoa izahay

Nampiditra: admin
Sokajy: Tanora, Fanirahana, Antson'Andriamanitra,


  • Fihirana Hasina p. "798

1-      Tsy ho afa-po izahay raha tsy eo anilany
Hibanjina azy Jesoa
Fa tsy tonga lafatra ny ety an-tany ety
Ka roso izahay
Faniriana lalina tsy hay sakanana
Miredareda ao am-po
No manentana anay tanora hiara-dia
Hanao izao hira izao

Te-hahita an’i Jesoa izahay
Izy no lalana sy fahamarinana
Te-hahita an’i Jesoa izahay
E e e, Izy no fiainana

2-      Ny andavanandrom-piainanay, ny fivavahanay
Ny Tenin’Andriamanitra
Ireo no itadiavanay sy ibanjinanay
‘Lay Endrik’i Jesoa
Ao amin’ny Eokaristia sakafo mampiray
Mari-pitiava-namana
Ao amin’ny madinika sy ny mahantra
No isehoany

3-      Fantatray fa sarotra na fijaliana
No mbola hiaretanay
Fa tsy maintsy maty moa ny voa afafy
Raha tiana hamokatra
Eo i Masina Maria 'lay tena mahalala
An’i Jesoa tadiavinay
Ankininay aminy izao fiainanay izao
Ho tody soa izahay.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0068 s.] - Hanohana anay