Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao

Nampiditra: admin
Sokajy: Fanirahana, Antson'Andriamanitra,


  • Fihirana Hasina p. "774
  • Fihirana Vaovao p. "99

Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao
Mitoria ny Evanjely
Amin’ny voaary rehetra

1- Mankahalà izao tontolo izao,
     na dia ny ainao aza;
     Manatòna Ahy ianao,
     dia ho tena mpianatro

2- Mitondrà ny hazofijaliana 
     entina hanavotra anao
     Manaraha Ahy ianao,
     dia ho tena mpianatro


3- Irahiko ianao hitondra famonjena
     hahafoy izay rehetra anananao
     Hanome sira tsiro ho fanasina,
     dia ho tena mpianatro


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0070 s.] - Hanohana anay