Atopazo ny maso

Nampiditra: admin
Sokajy: Fanirahana, Antson'Andriamanitra,


  • Fihirana Hasina p. "414

 

1-      Atopazo ny maso, valio Aho
Iza no hioty ireto vokatra be
Andeha re ianao hiasa ho Ahy
Hanao ity asa tsy misy mpanao

Miandrandra 'zahay, 'zahay, ry Tompo
Matoky tanteraka ny indrafonao
Fa mba maniry te-hahita Anao
Izato fanahiko miandrandra Anao (indroa)

2-      Sarotra ho ahy ny hamaly Anao
Mafy ny adidy anirahanao ahy
Fa zaza anie aho, ka tsy mahay miteny
Fa Ianao kosa anefa maniraka ahy

3-      Iza àry hoy aho no hirahiko
Jereo ny hamaroan’ny fanahy miandry
Matokisa Ahy ianao fa Izaho homba anao
Hanilo ny làlana halehanao

4-      Inty aho Tompo ho irakao
Nasehoko Anao ny fiainako
Fa osa anie aho tsy mendrika Anao
Matoky anefa aho fa manana Anao


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0070 s.] - Hanohana anay