Isika rehetra izao

1-      Isika rehetra izao
Samy hafa raha ny fomba, samy hafa ny fiteny
Nefa kosa iray vatsy, iray aina avokoa
Jesoa Kristy no ilay vatsy, mofo fiainana ho antsika
Ka ny vatany zaraina no mampiray antsika rehetra

2-      Isika rehetra izao
Manodidina eto amin’ny latabatry ny Tompo
Na kely aza ny anjara, valala iray ifanapahana
Nefa mbola mihoatra lavitra ny fanasana rehetra
Dia ny vatana aman-dran’i Kristy ‘lay mofo aina

3-      Isika rehetra izao
Raha mbola eto an-tany ny fiainantsika aloha
Dia tantely amam-bahona ka tsy maintsy mila namana
Dia i Kristy ilay Zoky, mpiara-dia tsy mandao
Mifampizara amintsika na manta na ny masaka

4-      Isika rehatra izao
Mbola tsy afaka mandray anjara amin’ny fanasana
Lanonan’ny voavonjy, any an-tranon’izy Ray
Nefa eo ny nofon-kena izay mitana ny fihavanana
Dia ny vatan’i Jesoa eo anatrehantsika isan’andro

Nampiditra admin
Sokajy Fiadanana - Samihafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1459