Ry Jacques Berthieu
Nampiditra: admin
Sokajy:
Olomasina,
Samihafa,
1 Ry olontsambatra tsaroana,
Vavolombelon'ny finoana,
Na dia natahotra ho faty:
Hita ho nisotro aleoko maty,
Ka tsy niahotra na kely,
Tsy nitaraina velively;
Loza raha matimaty foana,
(F'ianao) maty nijoro tam-pinoana.
Ry Jacques Berthieu,Vavolombelona:Ny fiainanao nanehoFinoana velona.Ampio 'zahayMba hino ihany koa,Hijoro ka hiray,Fa mpianatr'i Jesoa. 2 Narovanao ireo vehivavy,
Tamin'ny Menalamba be fiavy;
Ianao niseho ho saro-piaro
No naharomotra ny maro,
Ka noratraina ianao,
Nanaovana ny tsy fanao.
Loza ny asan'i Satana,
(F'ianao) masina tsy isalasalana.
Ry Ray be fitia:
Andriamanitray,
Ry Zanak'i Maria:
Jesoa Zokinay,
Misaotra anao tokoa,
Fa ny fanahinao
No niaro mba ho soa
Ity mpanomponao
Aleloia, aleloia!
Aleloia, aleloia!
Aleloia, aleloia!
Aleloia, aleloia!