Andriamanitra, misaotra anao

Andriamanitra  ô ô, misaotra Anao e
Noho ireo soa sy ireo fahasoavana
Izay nomenao anay (Henin-kafaliana)
Henin-kafaliana ny fo sy ny fanahinay e
Koa miantsa sy manandra-peo
Misaotra Anao (Ô, ry Ray)
 
1-      Tsy ho voavisavisa
Ny fitantananao anay (Ô ry Tompo)
Velon-toky ny fanahy
Fa notiavinao izahay (Ô ry Ray)

2-      Natsoinao izahay
Hanohy ny asanao (Ô ry Tompo)
Tsapanay tokoa izao
Ny halalin’ny fitiavanao (Ô ry Ray)

3-      Nampahafantarinao anay
Izay miafina ao an-danitra ao (Ô ry Tompo)
Nasehonao tamin’ny fiainanay
Ny tsiambaratelonao (Ô ry Ray)

Nampiditra admin
Sokajy Fisaorana
Fihirana Hasina p. 760
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2951