E faly mihoby sy mankalaza Anao ‘zahay Ray ô

E faly mihoby sy mankalaza Anao ‘zahay Ray ô
Ho Anao irery ny haja sy dera
‘Ndreto izahay miantsa sy mihira ho Anao
Ho Anao irery ny voninahitra
 
1-      Ny feonay Ray ô (2), atolotray mba hiderana Anao!
Ny fonay Ray ô (2), atolotray mba hitiavana Anao!
 
2-      Ny andronay Ray ô (2), atolotray mba hanompoana Anao!
Ny fiainanay Ray ô (2), atolotray mba ho voninahitrao!
 
3-      Ny hevitray Ray ô (2), atolotray mba ho an’ny sitrakao!
Ny herinay Ray ô (2), atolotray mba ho voninahitrao!
 
4-      Ny vavakay Ray ô (2), atolotray mba ho fisaorana Anao!
Ny asanay Ray ô (2), atolotray mba ho voninahitrao!

Nampiditra admin
Sokajy Fisaorana
Fihirana Dera p. 296
Fihirana Hasina p. 435
Fihirana Vaovao p. 263
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0785