Tany an'efitra ry Tompo

Nampiditra: admin
Sokajy: Komonio,


  • Karine Dera p. "522

1-      Tany an’efitra ry Tompo ô
No nanombohanao
Nanomezanao ny mofon-danitra
Ho an’ny vahoakanao

Mofo iray no ifanapahana
Kalisy iray no isotroana
Ho mariky ny herinao
Tompo ô mampifankatia anay

2-      Tonga teto ny zanakao
Naka nofo toa anay
Hampiseho anay ny fitiavanao
Nietry tena hamonjy anay

3-      N’aiza n’aiza Tompo ô
No mety halehanay
Zava-tokana no inoanay
Ary tena maha iray anay

4-      N’inon’inona manembatsembana
Handaviranay Anao
Dia ilay mofo no inoanay
Mba hanome hery anay

5-      Saotra dera no atolotray
Ho an’ny Ray sy ny Zanaka
Ary Koa ny Fanahy Masina
Izay mankahery anay


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0071 s.] - Hanohana anay