Ô ry Jesoa mofo velona, ry Jesoa mofon’aina, ry Jesoa mofom-pitiavana

Ô ry Jesoa mofo velona,
Ô ry Jesoa mofon’aina,

Ry Jesoa mofom-pitiavana
'
Lay hanin-tohan-tsakaiza eny an-dalako eny
Isan’andro vaky mihiratra
Heriko eny an-dàlako eny, izaho toa nofo ihany

1- Tsiahiko ‘lay Samaritana e, tsy te-hangetaheta intsony
    Ary Ianao ontsa vahoaka e, reraky ny hanoanana.

    Dia indro Ianao nanome rano (in-2), tsy hampangetaheta intsony;
    Dia indro nampitombo mofo, hanana amby sy hanandratra
    Fa Mofon’ny fanantenana e, Ianao ry Mofon’Aina
    Zovy moa no tsy hitraka e, voafahan’Ilay Aina!
    Ilay Ain’Andriamanitra!

2- Raha mihinana anao aho ry Mofo ô, tsy olon’olom-poana akory,
    F’olo-manana ao anaty, ‘zany herin’Andriamanitra
    Ndrey izany hafaliako (in-2), ‘zany fetran’ny hasambarako,
    Safononoka aho, ry Tompo, eny an-dalana izorako!
    Fa tiako loatra Ianao ry Tompo ô, Teny zary tonga Nofo,
    Nofo tonga Mofo indray anie, ary Mofo zary tonga Aina!
    Ilay Ain’Andriamanitra!

3- Ianao ‘Lay Zanaharinay; hanina dia mampihavana.
    Mampitraka ny fanahy e, tsy ho kivy an-tany efitra
    Dia nitony ny hanoanako (in-2), amin-javatra miserana,
    Fa ho mafy ny hetahetako, ho an’ilay harena miafina.
    Fa Mofon’ny fanantenana e, Ianao ry Mofon’Aina
    Zovy moa no tsy hitraka, voafahan’Ilay Aina
    Ilay Ain’Andriamanitra!

Nampiditra admin
Sokajy Komonio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1008