Isika efa nandray an'i Jesoa Kristy

1. Isika efa nandray an'i Jesoa Kristy
Iy ro fototsa iorenan'ny finoana
Tsa havela, tsa mba hilifàgna
Fa hifotoragna ka ahazoam-bahatsa

Hamahatsa sy hiorigna ao aminao
Sy ho sampagna mamokatsa
Velogna ny aigna sy hagnamafy ny finoana
Araka ny nianarana

2. Raha be ny fandrika sy firaka
Manao izay handravàna ny finoana
Hitandrigna tsika mianakaby
Tsa ho tongany e, fa ho any amin'i Jesoa

3. Eo koa i Masina Maria
Reny tsa mahafoe ny zanany
Mitondra am-bavaka atsika
Mba hifototsa soa amin'i Jesoa

Nampiditra admin
Sokajy Komonio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1698