Ny fitiavana manarona fahotana maro

Ny fitiavana manarona fahotana maro
Ny fitiavana manarona fahotana maro
Ny fitiavana manarona fahotana maro
Ny fitiavana manarona fahotana maro
(1 Piera 4, 8)

(Izaia 58, 6 - 10)

1. Mba fantatrao ve, hoy ny Tompo,
Ny fifadiana tena sitrako?
Ny mamaha ny fatotra tsy ara-drariny,
Ny manala ny gejan'ireo jioga,
Ny manafaka ny olona ampahoriana
Ny mandrava 'zay endrika jioga rehetra.

2. Mba fantatrao ve, hoy ny Tompo,
Ny fifadiana tena sitrako?
Ny mizara amin'ny noana ny anjara vary,
Mampiantrano izay tsy manan-kialofana
Ny manafy an'ireo zara raha mitafy,
Tsy odiana tsy hita fa nofo toa anao.

3. Raha efanao tokoa izany
Dia hiposaka toy ny mazava atsinanana
Ny tara-pahazavanao.
Ary hanolatra haingana, tsy ela fanafana 
'Zay mety ho ratranao rehetra.
Koa ny rariny ho fankasitrahana ho anao
No efa mialoha lalana
Ary hanaraka anao avy any aoriana
Ny voninahitry ny Tompo.

4. Raha efanao tokoa izany
Dia hihaino anao miantso azy ny Tompo
Hamaly Izy: "Inty Aho".
Raha mba foananao tsy ho hita intsony
Irony jioga mitambesatra
irony teny manala baràka
Sy ny fanondro manameloka.
Ka ianao mba mihafy ho an'ireo mosarena
Mamoky ireo ampahoriana

5. Isaorana tsy misy fetra,
Isaorana Ianao Andriamanitra Ray
Mitsinjo anay vahoakanao.
Tolorana fankasitrahana
Ianao, ry Zanaka Mpanafaka.
Ianao, ry Fanahy Mpitantana anay
Hamita asa fanasoavana
Hobiana sy ankalazaina indrindra
Mandrakizay, mandrakizay!

Nampiditra admin
Sokajy Samihafa
Ankalazao ny Tompo p. 0
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1242