Fitiavana ranofotsiny ianao

Fitiavana rano fotsiny Ianao Andriamanitra Ray ô,
Izahay anefa nanidy ny fonay, tsy nandray ny fanomezanao,
Ka mba raiso ny fonay mivalo.
Tompo ô, mamindrà fo aminay!...

Ianao lay tonga nanome ny didim-pitiavana ry Jesoa ô
Izahay anefa nitana lolompo sy tia tena ka zary miavona
Mba jereo ny fonay mivalo
Kristy ô, mamindrà fo aminay.

Mpankahery ny osa sy malemy Ianao ry Fanahy Masina ô
Izahay anefa matoky tena loatra ka tsy miraharaha Anao
Mba henoy ny fonay mivalo
Tompo ô, mamindrà fo aminay!!

Nampiditra admin
Sokajy Fifonana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0557