Aiza izahay no ho faly

Nampiditra: admin
Sokajy: Fifonana,


  • Fihirana Hasina p. "629

Aiza izahay no ho faly hoe voavela fahotana
Raha tsy ao aminao?
Tompo ô, mamindrà fo aminay

Aiza izahay no hatoky, fa hahazo famonjena
Raha tsy ao aminao?
Kristy ô, mamindrà fo aminay

Aiza izahay no ho tia, ny Rainao sy Rainay
Raha tsy ao aminao?
Tompo ô, mamindrà fo aminay


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0062 s.] - Hanohana anay