Nty/Inty aho te hanara-dia anao

Nampiditra: admin
Sokajy: Antson'Andriamanitra,


  • Karine Dera p. "549
  • Antsao ny Tompo p. "36

‘Nty aho te-hanara-dia anao
(Hanara-dia anao aho Tompo)
Mba raiso, raiso ho mpianatra aho
(Hanara-dia anao aho Tompo)
Na dia tsy mendrika aza aho
(Hanaradia anao aho Tompo)

Hanara-dia anao Tompo ô
(Indro ny tenako tontolo)
Hanara-dia anao Tompo ô
(Tantano sy vimbino aho)
Mba raiso, raiso aho Tompo ô
(Fa vonon-kanaraka anao)
‘Nty aho vonona hitory
(‘Lay didinao vaovao)

1.- Ny taninao (ialao)
Ny sahanao (ialao)
Ny tranonao (ialao)
Tompo ô ! omeo fandavan-tena aho
Tompo ô ! mangataka tso-drano aho

2.- Ny rainao (ialao)
Ny reninao (ialao)
Sakaizanao (ialao)
Tompo ô ! omeo fandavan-tena aho
Tompo ô ! mangataka tso-drano aho

3.- Ny havanao (ialao)
Ny zokinao (ialao)
Ny zandrinao (ialao)
Tompo ô ! omeo fandavan-tena aho
Tompo ô ! mangataka tso-drano aho


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0075 s.] - Hanohana anay