Sahy manolotra ny ainy
Sahy manolotra ny ainy, ho an'ny ondriny rehetra
Ny mpiandry ondry tsara
Ka ny rany sy ny tenany dia afoiny manontolo
Ho sakafon'izy ireny
1- Izy Tompo no mpiandry, zaho kosa ondry fiandriny
Tsy mba ory n'inona n'inona
Ary vilo-maitso hatrany no ampialany sasatra ahy
2- Moron-drano mahatony no hitondrany ahy hatrany
Mahavelom-bolo ery
Ary lalam-pahamarinana ho itarihany ny diako
Ho voninahitry ny anarany
3- Raha mandalo lohasaha, lohasaha mahafaty
Dia tsy misy atahorako!
Fa eo ianao aman-tehina sy kibay miaro ahy
4- Ny fahavalo manoloana izaho rosoanao sakafo
Ary indro ianao manosotra diloilo izany lohako
Fa safomorona ny zingako
Enin-kasambarana aho.
5- Indrafo sy hasambarana no mambomba ny androm-piainako
Ao antranon'Izy Tompo no honenako hatrany.
Amin'ny androko rehetra.
6- Ho an'ny Ray Tompontsika, Tompontsika ondry tiany.
Ho an'ny Zanaka Mpiandry
Ho an'ilay Fanahy Masina, mpizarazara ranovelona
Voninahitra sy dera.