Sahy manolotra ny ainy

Sahy manolotra ny ainy, ho an'ny ondriny rehetra
Ny mpiandry ondry tsara
Ka ny rany sy ny tenany dia afoiny manontolo
Ho sakafon'izy ireny

1- Izy Tompo no mpiandry, zaho kosa ondry fiandriny
Tsy mba ory n'inona n'inona
Ary vilo-maintso hatrany no ampialany sasatra ahy
 
2- Moron-drano mahatony no hitondrany ahy hatrany
Mahavelom-bolo ery
Ary lalam-pahamarinana ho itarihany ny diako
Ho voninahitry ny anarany
 
3- Raha mandalo lohasaha, lohasaha mahafaty
Dia tsy misy atahorako!
Fa eo ianao aman-tehina sy kibay miaro ahy
 
4- Ny fahavalo manoloana izaho rosoanao sakafo
Ary indro ianao manosotra diloilo izany lohako
Fa safomorona ny ziogako
Enin-kasambarana aho.
 
5- Indrafo sy hasambarana no mambomba ny androm-piainako
Ao antranon'Izy Tompo no honenako hatrany.
Amin'ny androko rehetra.
 
6- Ho an'ny Ray Tompontsika, Tompontsika ondry tiany.
Ho an'ny Zanaka Mpiandry
Ho an'ilay Fanahy Masina, mpizarazara ranovelona
Voninahitra sy dera.
Nampiditra marielatia
Fihirana Hasina p. 829
Vavaka sy Hira p. 129
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092