Avia, ry Jesoa Tompo, avia re
Avia, ry Jesoa Tompo, avia re ( Apok 22,20 )
1. Miambena lalandava,
    Fa ho avy toa mpangalatra Aho manko.
2. Tano mafy ny finoana,
    Fa efa akaiky ny fotoana hiaviako.
3. Mibebaha, ry vahoaka,
    Sao vinitra aminao mafy Aho.
4. Efa ho avy ny fotoana
    'Zay handonako ny varavaranao.
5. Ho avy Aho, ka ho faly
    Izay mino sy mitandrina ny teniko.
6. Azo antoka ny teniko:
    'Lay taloha, ankehitriny, ary ho avy.
                    Nampiditra marielatia                
                                        
            
                            
                            Ankalazao ny Tompo p.
                            297                        
                                            
                            Fihirana Hasina p.
                            56                        
                                            
                            Fihirana Vaovao p.
                            19                        
                                            
                            Vavaka sy Hira p.
                            453                        
                                    
