Mifalia isika e, fa akaiky ny Tompo

Nampiditra: marielatia
Sokajy: Salamo, Noely, Fiaviana,


  • Fihirana Vaovao p. "15
  • Vavaka sy Hira p. "313
  • Fihirana Hasina p. "226
  • Fihirana Dera p. "103
  • Ankalazao ny Tompo p. "295

Fiv: Mifalia isika e, fa akaiky ny Tompo. (Filipo 4, 4-5) 

(Sal. 84)

1. Nambininao, ry Tompo ô, ny tany maminao:
    ‘Reo babon’i Jakoba dia nampodianao
    Nanota ny olona, nefa navelanao:
    Ny heloka nataony nosaronanao tanteraka.

2. Ny hatezeranao narianao lavitra:
    Ilay Fonao sendaotra efa tony dia tony.
    Ampodio izahay e, ry Tompo vonjinay:
    Atsaharo amin’izay ny hatezeranao.

3. Dia ho mandrakizay ve no ho vinitra Ianao?
    Handavantaona koa ve ny hetezeranao?
    Fa moa tsy Ianao ve no hanome ny aina e:
    Ka ny vahoakanao ho faly aminao?

4. Asehoy anay, ry Tompo, ny hatsaram-ponao
    Ary mba omeo anay ny vonjy avy aminao
    Hampandry sofina aho, fa niteny ny Tompo:
    Ny hany lazainy dia ny fiadanana.

5. Kely sisa, dia hovonjeny izay matahotra azy:
    Ka ny voninahiny hitoetra eto an-tany.
    Ilay fitia tsy mamadika dia indro fa tonga;
    Fihavanana sy rariny indro hifandray tanana.

6. Hitsimoka amin’ny tany ny fahamarinana,
    Ny rariny sy ny hitsiny hidina avy any an-danitra
    Voninahitra sy dera ho an’ny Ray sy ny Zanaka,
     Ho an’ny Fanahy Masina voninahitra sy dera.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0076 s.] - Hanohana anay