Kintan'ny ranomasina, Masina Maria Reninay
Fiv: Kintan'ny ranomasina,
       Masina Maria reninay e, ( mba henoy e )
       O ry kintana arahina, matoky anao izahay.
1. Fa ny fiainanay toa ranomasi-manonja
    Ny fakam-panahy mila handrendrika.
    Matoky anao e. ( in-2 ) 
2. Ry Kintana iry mamirapiratra ambony
    Toa ilay finoana niainanao, Maria.
     Matoky anao e. ( in-2 )
3. Ka na maizim-be 'zany fiainana etoana
    Ny fanantenana: ianao, ry Kintana ô
    Matoky anao e. ( in-2 )
4. Ny fitiavanao, kintana ambony madio
    No banjininay e manara-dia anao.
    Matoky anao e. ( in-2 )
5. Mba ho tody soa ireto zandrin'i Jesoa,
    Ento amin'ny Ray e, tariho lalana.
    Matoky anao e. ( in-2 )
 
 
                    Nampiditra marielatia                
                                        
                    Sokajy                                                                    Masina Maria                                    
            
                            
                            Fihirana Dera p.
                            139                        
                                            
                            Fihirana Hasina p.
                            309                        
                                            
                            Fihirana Vaovao p.
                            288                        
                                            
                            Vavaka sy Hira p.
                            607                        
                                    
